Lesona 3
9-15 Aprily
I Kaina sy ny lova navelany
Mpirahalahy:
- Ny nahaterahany. Genesisy 4:1-2.
- Tsaroan’i Eva ny teny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3:15 raha niteraka ny zanany voalohany izy. Nihevitra i Eva fa i Kaina no fahatanterahan’ilay faminaniana, ilay taranaka hanafaka azy ireo amin’ny ota.
- Niharihary fa io fanantenana io dia namiratra lavitra noho ny fahaterahan’i Abela [hébel amin’ny teny Hebreo], izay midika hoe “zava-poana” ny anarany (jereo ny Mpitoriteny 12:8).
- Toa nanaraka ny baikon’Andriamanitra ny fahitana an’i Kaina (Genesisy 2:15). Toa nandeha araka ny drafitra ny zavatra rehetra…
- Ny fanatitrany. Genesisy 4:3-5.
- Raha nihevitra ny fanatitrany ho fanomezana ho an’Andriamanitra i Kaina, Abela kosa nahafantatra fa ny fanatitra nataony dia fampahatsiahivana ny fanomezan’Andriamanitra ho azy.
- Naniry horaisina tamin’izay nataony ho an’Andriamanitra i Kaina (famonjena amin’ny alalan’ny asa). Naniry horaisina tamin’izay nataon’Andriamanitra ho azy i Abela (famonjena amin’ny alalan’ny finoana).
Ny fahotan’i Kaina:
- Manolo-tsaina Andriamanitra. Genesisy 4:6-8.
- Tezitra tamin’Andriamanitra sy ny rahalahiny i Kaina satria nolavina ny fanatitrany. Mety ho rariny ny fahatezerana tamin’Andriamanitra satria nolaviny ny fanatitrany. Fa nahoana izy no tezitra tamin’ny rahalahiny? 1 Jaona 3:12.
- Namaly ny fahatezeran’i Kaina tamim-pitiavana Andriamanitra. Nanome torohevitra ho azy Izy mba hanakanana azy tsy hanao fahadisoana bebe kokoa, fa hanao safidy tsara.
- Manafay Andriamanitra. Genesisy 4:9-16.
- Taorian’ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny, dia nametraka fanontaniana mitovy tamin’ny an’i Adama Andriamanitra hoe: “Aiza i Abela rahalahinao?” (Genesisy 4:9).
- Saingy, tsy niaiky ny fahotany i Kaina. Tsy niezaka nanamarina an’izany akory izy. Tsy norarahiany tsotra izao ilay fanontaniana sady nanandrina an’Andriamanitra izy.
- Noho izany, dia navelan’Andriamanitra ho voaozona i Kaina noho ny tany izay nisotro ny ran’ny rahalahiny (Genesisy 4:11). Nifidy ny hiaina lavitra an’Andriamanitra i Kaina, ka voaheloka ho amin’ny fiainana mirenireny (and. 12).
- Tsy nibebaka i Kaina, nefa fantany fa ny fiainana lavitra an’Andriamanitra dia midika ho fahafatesana (and. 14). Saingy miahy ny mpanota Andriamanitra noho ny famindram-pony (Genesisy 4:15; Matio 5:45).
Taranaka roa:
- Ny zanak’i Kaina. Genesisy 4:17-24.
- Niharatsy hatrany hatrany ny taranak’i Kaina. Ohatra maneho tsara ny amin’izany i Lameka. Anisan’ny taranaka fahafito taorian’i Adama izy.
- Ny zanak’Andriamanitra. Genesisy 4:25-26.
- Nino i Eva fa ho avy amin’ny taranak’i Seta ilay Mpanafaka (Genesisy 4:25). Ho avy amin’ny taranak’i Seta ny tetiaran’ny Mesia.
- Niavaka tanteraka ny taranak’i Seta (zanak’Andriamanitra) sy ny taranak’i Kaina (zanak’olombelona) nanomboka tamin’i Enosy (Genesisy 6:1-2).
- Nanalavitra hatrany an’Andriamanitra ny taranak’i Kaina, fa ny an’i Seta kosa niezaka nanatona Azy. Anisan’ny taranaka fahafito hatramin’i Adama koa i Enoka. Saingy nifanohitra tanteraka tamin’ny an’i Lameka zanak’olona mpiray tampo aminy ny fanandramany.
- Zanak’Andriamanitra isika. Aoka isika hanahaka an’i Enoka ka hiara-mandeha Aminy isan’andro (Genesisy 5:22).