Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao

Aprily | Mey | Jona 2023

Lesona 2

1 Aprily - 7 Aprily

Fotoana andraisan'ny tsirairay ny anjarany

  1. Fotoana fanapahan-kevitra (Apokalypsy14:6-13):

    • Hafatra telo ho an’izao tontolo rehetra izao: Fotoana handraisan’ny tsirairay ny anjarany.

      • Nanambara mialoha i Jesosy fa handre ny Filazantsara ny olona rehetra eto an-tany rehefa hiverina Izy (Apokalypsy 14:6-7; Matio 24:14).

      • Tsy maintsy misafidy ny tsirairay na ny fampianaran-dison’i Babylona na ny fahamarinana izay hotazonin’ireo sisa mahatoky (Apokalypsy 14:8).

      • Tsy maintsy misafidy ny tsirairay na ny mariky ny fahavalo (izay asehon’ny bibidia) na ny tombo-kasen’Andriamanitra (Apokalypsy 14:9-11; Marka 8:35).

      • Rahoviana isika no tokony hanapa-kevitra? Amin’izao fotoana izao. Ny fanapahan-kevitra farany raisintsika dia miankina amin’izay safidintsika anio.

  2. Mandinika ny fanapahan-kevitra (Apokalypsy14:14):

    • Ny Zanak’Olona.

      • Nanamafy ny maha-olombelona Azy i Jesosy tamin’ny fampiasana ny voambolana hoe “Zanak’olona” rehefa niresaka momba ny fijaliany sy ny asa famonjena ny olona rehetra Izy (Lioka 9:22; Marka 10:45). Izy no loharano tokana ho aminn’ny famelan-keloka (Marka 2:10-11) sy famonjena (Lioka 19:10).

      • Nandeha teto an-tany i Jesosy tamin’ny naha-olombelona azy. Nanasitrana ny marary Izy, nalaim-panahy tahaka antsika, ary nandalo fizahan-toetra toy izany koa. Afaka matoky isika fa mahatakatra ny mahazo antsika Izy. Mahafeno ny fepetra hitsara ny fanapahan-kevitra noraisintsika Izy (Jaona 5:26-27).

      • Io voambolana io ihany no ampiasain’i Jesosy hilazana ny amin’ny Fiaviany Fanindroany (Matio 16:27; 24:27, 37, 44; 25:31; Marka 8:38).

      • Rehefa samy nandray ny fanapahan-keviny ny tsirairay amin’ny andro farany, dia hiverina “Iny Jesosy iny”. (Asa 1:11).

    • Ny fitsaran’ny lanitra.

      • Nahita an’i Jesosy nipetraka teo ambonin’ny rahona nitondra fijinjana teny an-tanany i Jaona, niandry ny baiko handehanany (Apokalypsy 14:14).

      • Tsy nahita an’i Jesosy niverina teto an-tany i Jaona tamin’io fotoana io. Ny Fiaviany Fanindroany dia amin’ny fotoana handraisan’i Jesosy ny baiko hoe: “Arosoy ny fijinjanao, dia mijinjà”. (Apokalypsy 14:15).

      • Mitovy amin’ny Daniela 7:13 ny Apokalypsy 14:14. Samy milaza fa ny fitsaran’Andriamanitra dia mialoha ny Fiaviany Fanindroany.

      • Rehefa vita ny fitsarana, dia efa voazaha ny raharaha rehetra (Apokalypsy 22:12). Nohamarinina teo anatrehan’izao rehetra izao ny toetran’Andriamanitra (Salamo 51:4), ary hiverina hitondra ny voavotra miaraka Aminy Jesosy (Marka 13:26-27).

  1. Ny vokatry ny fanapahan-kevitra (Apokalypsy14:15-20):

    • Ny vokatra: ny anjaran’ny marina.

      • Mialoha ny fijinjana dia hosoloin’i Jesosy “satro-boninahitra volamena” ny satroka tsilo (Jaona 19:5; Apokalypsy 14:14). Tsy satro-boninahitry ny mpanjaka (diadēma) izany, fa satro-boninahitry ny mpandresy (stephanos).

      • Jesosy no hijinja ny vokatra ka hanome antsika ny satro-boninahitry ny mpandresy (1 Petera 5:4). Ahoana no ahatonga antsika ho mpandresy?

      • Tsy maintsy mitombo ny voa ary masaka mba hojinjaina (Matio 5:48).

      • Tsy maintsy miova ho amin’ny fahamasinana isan’andro koa isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika sy nandresy (2 Korintiana 3:18).

    • Ny voaloboka: ny anjaran’ny ratsy fanahy.

      • Ny marina (ny vokatra) dia mitombo amin’ny fahamasinana, ary ny ratsy fanahy (ny voaloboka) mitombo ho amin’ny faharatsiana.

      • Ny fandavana ny sitrapon’Andriamanitra dia mitarika ho amin’ny faharatsiana sy fieritreretana “voapetaky ny vy mahamay” (1 Timoty 4:1-2).

      • Rehefa samy nandray ny fanapahan-keviny ny tsirairay amin’ny faran’ny Andro Farany, dia efa nohamasinina izy na nolavina araka ny fanapahan-keviny (Apokalypsy 22:11).

      • Miharihary sady mampitolagaga ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy. Ny teniny sy ny fitondran-tenany dia ho vavolombelon’ny fanapahan-keviny. Ny fanapahan-kevitra farany ataontsika dia hiorina amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro.

Resource Credit: fustero.es

Nadikan'i: Malala Raveloson