Mitantana ny fananan’i Tompo mandra-piaviny
Janoary | Febroary | Martsa 2023
Lesona 11
11 martsa–17 martsa
Mahay mitantana ao anatin'ny fotoan- tsarotra
Iza no hiaro antsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra?
Vonona hiady i Josafata Mpanjaka (2Tan. 17:2, 12-13). Na izany aza, fantany fa voafetra ihany izy. Tsy afaka niatrika ireo vondro-tafika izay nandrahona azy izy (2Tan 20:1-2).
Tsy nitady fanampiana tamin’olon-kafa izy raha hiatrika izao fotoan-tsarotra izao, fa nitodika tany amin’Ilay hany afaka hanampy azy marina tokoa: Andriamanitra. (2Tant. 20:3-12).
Tsy fanapahan-kevitra noho ny tahotra na ny tsy fisian’ny fiarovana izany. Efa zatra nanompo an’Andriamanitra i Josafata (2Tan. 17:3-4; 19:4). Fantany fa afaka matoky Azy izy. Moa ve ianao manana fanandramana miaraka amin’Andriamanitra toy izany isan’andro, izay hanampy anao hatoky Azy amin’ny fotoan-tsarotra?
Iza no azontsika itokiana?
Fantatr’i Davida fa tsy misy olona mahavonjy azy (Sal. 146:3). Nianarany avy tamin’ny fanandraman’i Jonatana fa tsy mila tafika mahery Andriamanitra mba handresena ny fahavalony (1Sam. 14:6, 13, 23).
Nalain’i Satana fanahy anefa izy ka te hahafantatra ny isan’ny miaramilany (1Tan. 21:1-2). Tsy voarara izany, saingy nasehon’i Davida fa nitoky ny heriny ara-tafika izy mihoatra noho Andriamanitra.
Ambonin’ny zavatra rehetra Andriamanitra. Tsy maintsy manatona Azy aloha isika vao mitodika amin’ny olombelona.
Inona no azontsika hazonina?
Mandritra ny fotoan-tsarotra farany dia tsy afaka hividy na hivarotra isika. Raha manana tavela isika aorian’izany, dia ho levon’ny afo izany (2Pet. 3:10-11).
Koa tokony ho esorina avokoa ve izay rehetra ananantsika ankehitriny fa tsy ho afaka hitazona izany isika?
Tsia, raha tsy milaza amintsika mazava hanao izany ny Fanahy Masina. Mpitantana ny zavatra rehetra nomen’Andriamanitra antsika isika mandra-piverin’i Jesosy. Tsy maintsy mitantana izany amim-pahendrena sy amim-pahatokiana isika.
Na izany aza, tokoy hotsaroantsika mandrakariva fa izay rehetra angonintsika eto dia mandalo sy mihelina ihany, ary raha tsy mitandrina isika dia mety hanimba ny fanahintsika izany.
Inona no ho laharam-pahamehantsika?
Amin’ny fotoanany dia tsy maintsy manapa-kevitra isika: na hanompo an’Andriamanitra ka hamoy ny fananantsika, na hihazona izany ka hanompo olona tsy mendrika hotompoina.
Miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika amin’izao fotoana izao ny fanapahan-kevitra horaisintsika amin’izay fotoana izay (Mat. 6:24).
Hoy ny apostoly Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao.” (1 Jao. 2:15). Inona no ratsy eto amin’“izao tontolo izao” izay mampisaraka antsika amin’Andriamanitra (1 John 2:16)?
Ahoana no hiomanantsika ho amin’ny fotoan-tsarotra?
Raha tsy manaiky ny fahefana mifehy an’izao tontolo izao isika amin’io fotoana io fa mijanona ho mahatoky amin’Andriamanitra, dia ho very asa sy fananana (Apok. 13:14-17). Nefa, afaka matoky isika fa hikarakara antsika Andriamanitra (2 Tes. 3:3; Sal. 34:19).
Mianatra matoky an’Andriamanitra sy miantehitra Aminy ankehitriny. Ny fitsapana tsara dia ny fahatokiana amin’ny ampahafolony. Raha tsy mahatoky amin’ny zavatra kely toy izany isika, ahoana no ahafahantsika mitoetra ho mahatoky amin’ny fotoan-tsarotra ho avy (Jeremiah 12:5)?